| 1 | Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah. |
| 2 | Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. |
| 3 | Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah. |
| 4 | Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny. |
| 5 | Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo, |
| 6 | Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? |
| 7 | Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika, |
| 8 | Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony. |
| 9 | Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. |