| 1 | Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy. |
| 2 | Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. |
| 3 | Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. |
| 4 | Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. |
| 5 | Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika. |
| 6 | Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. |
| 7 | Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, |
| 8 | Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana. |
| 9 | Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho. |
| 10 | Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho. |
| 11 | Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra. |
| 12 | Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko? |
| 13 | Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah. |
| 14 | Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra. |
| 15 | Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. |
| 16 | Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. |
| 17 | Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko. |
| 18 | Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra, |
| 19 | Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia. |