| 1 | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. |
| 2 | Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 3 | Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 4 | Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 5 | Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. |
| 6 | Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? |
| 7 | Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy. |
| 8 | Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona. |
| 9 | Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. |
| 10 | Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa; |
| 11 | Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. |
| 12 | Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. |
| 13 | Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. |
| 14 | Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. |
| 15 | Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery; |
| 16 | Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery. |
| 17 | Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah. |
| 18 | Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana. |
| 19 | Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah. |
| 20 | Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. |
| 21 | Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. |
| 22 | Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. |
| 23 | Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. |
| 24 | Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika. |
| 25 | Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! |
| 26 | Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo. |
| 27 | Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza. |
| 28 | Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. |
| 29 | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. |