| 1 | Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. |
| 2 | Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra; |
| 3 | Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany. |
| 4 | Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara. |
| 5 | Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao! |
| 6 | Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra. |
| 7 | Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina. |
| 8 | Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao. |
| 9 | Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. |
| 10 | Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho. |
| 11 | Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. |
| 12 | Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. |
| 13 | Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. |
| 14 | Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. |
| 15 | Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. |
| 16 | Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao. |
| 17 | Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. |
| 18 | Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao. |
| 19 | Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. |
| 20 | Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. |
| 21 | Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao. |
| 22 | Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. |
| 23 | Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. |
| 24 | Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany. |
| 25 | Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao. |
| 26 | Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao. |
| 27 | Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao. |
| 28 | Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao. |
| 29 | Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy. |
| 30 | Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. |
| 31 | Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; |
| 32 | Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko. |
| 33 | Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. |
| 34 | Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. |
| 35 | Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. |
| 36 | Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana. |
| 37 | Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho. |
| 38 | Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. |
| 39 | Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. |
| 40 | Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao. |
| 41 | Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. |
| 42 | Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. |
| 43 | Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. |
| 44 | Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. |
| 45 | Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. |
| 46 | Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. |
| 47 | Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny. |
| 48 | Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. |
| 49 | Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy. |
| 50 | Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. |
| 51 | Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho. |
| 52 | Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. |
| 53 | Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. |
| 54 | Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako. |
| 55 | Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. |
| 56 | Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho. |
| 57 | Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho. |
| 58 | Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao. |
| 59 | Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao. |
| 60 | Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao. |
| 61 | Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. |
| 62 | Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina. |
| 63 | Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao. |
| 64 | Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao. |
| 65 | Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao. |
| 66 | Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho. |
| 67 | Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. |
| 68 | Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao. |
| 69 | Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao. |
| 70 | Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako. |
| 71 | Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao. |
| 72 | Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. |
| 73 | Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. |
| 74 | Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako. |
| 75 | Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. |
| 76 | Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao. |
| 77 | Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. |
| 78 | Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. |
| 79 | Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao. |
| 80 | Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho. |
| 81 | Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako. |
| 82 | Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? |
| 83 | Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. |
| 84 | Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao? |
| 85 | Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao. |
| 86 | Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho. |
| 87 | Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao. |
| 88 | Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho. |
| 89 | Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao. |
| 90 | Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. |
| 91 | Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. |
| 92 | Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho. |
| 93 | Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy. |
| 94 | Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko. |
| 95 | Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho |
| 96 | Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao. |
| 97 | Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. |
| 98 | Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. |
| 99 | Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. |
| 100 | Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako. |
| 101 | Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. |
| 102 | Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy. |
| 103 | Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! |
| 104 | Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. |
| 105 | Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. |
| 106 | Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. |
| 107 | Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. |
| 108 | Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. |
| 109 | An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho. |
| 110 | Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho. |
| 111 | Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. |
| 112 | Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany. |
| 113 | Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako. |
| 114 | Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako. |
| 115 | Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. |
| 116 | Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho. |
| 117 | Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. |
| 118 | Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. |
| 119 | Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. |
| 120 | Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho. |
| 121 | Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy. |
| 122 | Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. |
| 123 | Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao. |
| 124 | Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. |
| 125 | Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao. |
| 126 | Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. |
| 127 | Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. |
| 128 | Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra; |
| 129 | Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. |
| 130 | Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. |
| 131 | Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. |
| 132 | Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao. |
| 133 | Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. |
| 134 | Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao. |
| 135 | Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. |
| 136 | Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao. |
| 137 | Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. |
| 138 | Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. |
| 139 | Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. |
| 140 | Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao. |
| 141 | Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. |
| 142 | Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. |
| 143 | Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. |
| 144 | Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona. |
| 145 | Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; |
| 146 | Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao. |
| 147 | Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. |
| 148 | Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. |
| 149 | Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. |
| 150 | Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao. |
| 151 | Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra. |
| 152 | Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. |
| 153 | Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko. |
| 154 | Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao. |
| 155 | Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. |
| 156 | Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao. |
| 157 | Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho. |
| 158 | Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. |
| 159 | He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. |
| 160 | Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. |
| 161 | Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko. |
| 162 | Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. |
| 163 | Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. |
| 164 | Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. |
| 165 | Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. |
| 166 | Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. |
| 167 | Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. |
| 168 | Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. |
| 169 | Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. |
| 170 | Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao. |
| 171 | Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao. |
| 172 | Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra. |
| 173 | Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho. |
| 174 | Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako. |
| 175 | Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. |
| 176 | Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko. |