| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona. |
| 2 | Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. |
| 3 | Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, |
| 4 | Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? |
| 5 | Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany. |
| 6 | Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito. |
| 7 | Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity. |
| 8 | Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra. |