| 1 | Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? |
| 2 | Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. |
| 3 | Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. |
| 4 | Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. |
| 5 | Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. |
| 6 | Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. |
| 7 | Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. |
| 8 | Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay. |