HomeMenu
Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 123

1Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
2Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;
4Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.