| 1 | Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: |
| 2 | Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona. |
| 3 | Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany; |
| 4 | Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka; |
| 5 | Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka. |
| 6 | Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny. |
| 7 | Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. |
| 8 | Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. |