HomeMenu
Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 125

1Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
2Tahaka ny tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho mandrakizay
3Fa tsy hitoetra eo amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
4Jehovah ô, manaova soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo.
5Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.