| 1 | Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. |
| 2 | Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny. |
| 3 | Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. |
| 4 | Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo. |
| 5 | Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. |
| 6 | Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa. |