| 1 | Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany. |
| 2 | Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. |
| 3 | Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao. |
| 4 | Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah. |
| 5 | Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao. |
| 6 | Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely. |