| 1 | Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: |
| 2 | Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. |
| 3 | Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy. |
| 4 | Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy. |
| 5 | Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona |
| 6 | Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; |
| 7 | Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany; |
| 8 | Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo. |