| 1 | Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra, |
| 2 | Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe: |
| 3 | Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako, |
| 4 | Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko, |
| 5 | Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba. |
| 6 | Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika. |
| 7 | Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony. |
| 8 | Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao. |
| 9 | Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby. |
| 10 | Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao. |
| 11 | Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao. |
| 12 | Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany. |
| 13 | Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany. |
| 14 | Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity. |
| 15 | Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao. |
| 16 | Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao. |
| 17 | Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro. |
| 18 | Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny. |