Salamo 133
| 1 | Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina |
| 2 | Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony; |
| 3 | Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay. |