| 1 | Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah. |
| 2 | Manandrata ny tananareo ho amin'ny fitoerana masina, Ka misaora an'i Jehovah. |
| 3 | Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany. |