| 1 | Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, |
| 2 | Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika. |
| 3 | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany. |
| 4 | Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy, |
| 5 | Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. |
| 6 | Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. |
| 7 | Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, |
| 8 | Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby. |
| 9 | Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra, |
| 10 | Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery, |
| 11 | Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra; |
| 12 | Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony. |
| 13 | Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao. |
| 14 | Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony. |
| 15 | Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona; |
| 16 | Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; |
| 17 | Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. |
| 18 | Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. |
| 19 | Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona; |
| 20 | Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah. |
| 21 | Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia. |