| 1 | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
| 2 | Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
| 3 | Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; |
| 4 | Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 5 | Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 6 | Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 7 | Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 8 | Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 9 | Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 10 | Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) |
| 11 | Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 12 | Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 13 | Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 14 | Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 15 | Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 16 | Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 17 | Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 18 | Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 19 | Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 20 | Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 21 | Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 22 | Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 23 | Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 24 | Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
| 25 | Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); |
| 26 | Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. |