| 1 | Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah. |
| 2 | Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako. |
| 3 | Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy. |
| 4 | Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko. |
| 5 | Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona. |
| 6 | Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny. |
| 7 | Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao. |