| 1 | Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. |
| 2 | Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. |
| 3 | Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . |
| 4 | Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. |
| 5 | Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. |
| 6 | Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. |
| 7 | Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao. |
| 8 | Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. |
| 9 | Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra. |
| 10 | Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. |
| 11 | Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, |
| 12 | Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao. |
| 13 | Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. |
| 14 | Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. |
| 15 | Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany. |
| 16 | Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. |
| 17 | Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. |
| 18 | Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. |
| 19 | Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. |
| 20 | Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. |
| 21 | Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria. |