| 1 | Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko. |
| 2 | Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa. |
| 3 | Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy. |
| 4 | Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany. |
| 5 | Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny, |
| 6 | Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, |
| 7 | Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; |
| 8 | Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; |
| 9 | Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa. |
| 10 | Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia. |