| 1 | Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. |
| 2 | Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. |
| 3 | Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. |
| 4 | Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny. |
| 5 | Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. |
| 6 | Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany. |
| 7 | Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga, |
| 8 | Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, |
| 9 | Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina. |
| 10 | Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. |
| 11 | Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony. |
| 12 | Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô. |
| 13 | Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. |
| 14 | Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao. |
| 15 | Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. |
| 16 | Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. |
| 17 | Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? |
| 18 | Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. |
| 19 | Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely. |
| 20 | Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia. |