| 1 | Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony. |
| 2 | Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra. |
| 3 | Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. |
| 4 | Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra. |
| 5 | Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo. |
| 6 | Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra. |
| 7 | Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra, |
| 8 | Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny, |
| 9 | Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra, |
| 10 | Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina, |
| 11 | Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany, |
| 12 | Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora, |
| 13 | Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. |
| 14 | Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia. |