| 1 | Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. |
| 2 | Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. |
| 3 | Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. |
| 4 | Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. |
| 5 | Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. |
| 6 | Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia. |