| 1 | Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. |
| 2 | Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; |
| 3 | Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. |
| 4 | Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany. |
| 5 | Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. |
| 6 | Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. |
| 7 | Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. |
| 8 | Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. |
| 9 | Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. |
| 10 | Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao. |
| 11 | Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. |