Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 19

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
2Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
3Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
4Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;
5Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
7Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
9Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
10Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
11Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
12Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
13Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
14Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
HomeMenu