Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 2

1Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3"Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6"Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
7"Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
9Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
10Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
HomeMenu