| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao! |
| 2 | Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao. |
| 3 | Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena. |
| 4 | Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. |
| 5 | Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy. |
| 6 | Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy. |
| 7 | Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy. |
| 8 | Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao; |
| 9 | Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo. |
| 10 | Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona; |
| 11 | Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa. |
| 12 | Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany. |
| 13 | Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay. |