| 1 | Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, |
| 2 | Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. |
| 3 | Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. |
| 4 | Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. |
| 5 | Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. |
| 6 | Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho. |