| 1 | Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. |
| 2 | Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. |
| 3 | Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? |
| 4 | Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. |
| 5 | Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. |
| 6 | Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. |
| 7 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra. |
| 8 | Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. |
| 9 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. |
| 10 | Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra. |