| 1 | Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. |
| 2 | Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. |
| 3 | Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. |
| 4 | Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. |
| 5 | Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. |
| 6 | Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. |
| 7 | Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, |
| 8 | Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. |
| 9 | Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. |
| 10 | Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. |
| 11 | Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. |
| 12 | Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. |
| 13 | Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. |
| 14 | Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. |
| 15 | Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato. |
| 16 | Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. |
| 17 | Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho. |
| 18 | Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. |
| 19 | Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy. |
| 20 | Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao. |
| 21 | Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho. |
| 22 | Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra. |