| 1 | Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho. |
| 2 | Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho. |
| 3 | Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. |
| 4 | Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. |
| 5 | Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny. |
| 6 | Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy. |
| 7 | Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. |
| 8 | Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony. |
| 9 | Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay. |