Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 33

1Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
6Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
7Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
8Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
9Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
10Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
11Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
12Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
13Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
14Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
15Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
16Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.
17Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
18Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
19mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
20Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
21Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.
22Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
HomeMenu