| 1 | Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana. |
| 2 | Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo. |
| 3 | Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana. |
| 4 | Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. |
| 5 | Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. |
| 6 | Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. |
| 7 | Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. |
| 8 | Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao. |
| 9 | Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. |
| 10 | Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. |
| 11 | Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby. |
| 12 | Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. |
| 13 | Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy; |
| 14 | Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany, |
| 15 | Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. |
| 16 | Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. |
| 17 | Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny. |
| 18 | Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, |
| 19 | mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. |
| 20 | Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. |
| 21 | Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. |
| 22 | Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao. |