| 1 | Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. |
| 2 | Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao, |
| 3 | Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. |
| 4 | Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. |
| 5 | Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. |
| 6 | Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. |
| 7 | Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. |
| 8 | Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko. |
| 9 | Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. |
| 10 | Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy. |
| 11 | Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. |
| 12 | Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva. |
| 13 | Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; |
| 14 | Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. |
| 15 | Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. |
| 16 | Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. |
| 17 | Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. |
| 18 | Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. |
| 19 | Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; |
| 20 | Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara. |
| 21 | Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. |
| 22 | Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô. |