| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. |
| 2 | Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko. |
| 3 | Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho. |
| 4 | Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. |
| 5 | Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. |
| 6 | Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany. |
| 7 | Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko. |
| 8 | Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala. |
| 9 | Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao. |
| 10 | Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao. |
| 11 | Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. |
| 12 | Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra. |
| 13 | Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony. |