| 1 | Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina. |
| 2 | Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe. |
| 3 | Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. |
| 4 | Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. |
| 5 | Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra; |
| 6 | Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka. |
| 7 | Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy. |
| 8 | Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. |
| 9 | Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao. |
| 10 | Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. |
| 11 | Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao. |
| 12 | Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, |
| 13 | Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby. |
| 14 | Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza. |