| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao: |
| 2 | Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. |
| 3 | Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana. |
| 4 | Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. |
| 5 | Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy, |
| 6 | Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany? |
| 7 | Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony, |
| 8 | (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay), |
| 9 | Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka. |
| 10 | Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa. |
| 11 | Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny. |
| 12 | Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. |
| 13 | Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. |
| 14 | Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. |
| 15 | Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy. |
| 16 | Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; |
| 17 | Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. |
| 18 | Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao - |
| 19 | Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny. |
| 20 | Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty. |