| 1 | Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany. |
| 2 | Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra. |
| 3 | Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. |
| 4 | Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony: |
| 5 | Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra. |
| 6 | Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. |
| 7 | Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. |
| 8 | Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao. |
| 9 | Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao; |
| 10 | Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. |
| 11 | Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. |
| 12 | Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. |
| 13 | Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy? |
| 14 | Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao; |
| 15 | Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. |
| 16 | Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? |
| 17 | Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. |
| 18 | Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga. |
| 19 | Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka. |
| 20 | Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao. |
| 21 | Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. |
| 22 | Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. |
| 23 | Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra. |