| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva. |
| 2 | Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka. |
| 3 | Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. |
| 4 | Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. |
| 5 | Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. |
| 6 | Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe: |
| 7 | Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany. |
| 8 | Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho. |
| 9 | Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany. |