| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. |
| 2 | Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. |
| 3 | Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao. |
| 4 | Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko? |
| 5 | Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. |
| 6 | Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. |
| 7 | Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô. |
| 8 | Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny? |
| 9 | Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. |
| 10 | Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. |
| 11 | Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? |
| 12 | Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. |
| 13 | Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona. |