| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza. |
| 2 | Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. |
| 3 | Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany. |
| 4 | Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany. |
| 5 | Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. |
| 6 | Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. |
| 7 | Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. |
| 8 | Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. |
| 9 | Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho. |
| 10 | Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. |
| 11 | Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. |