| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko. |
| 2 | Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà. |
| 3 | Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. |
| 4 | Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo. |
| 5 | Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy. |
| 6 | Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. |
| 7 | Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre? |
| 8 | Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra. |
| 9 | Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. |
| 10 | Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho. |
| 11 | Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay. |
| 12 | Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony. |
| 13 | Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany. |
| 14 | Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna. |
| 15 | Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina. |
| 16 | Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. |
| 17 | Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko. |