| 1 | Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay. |
| 2 | Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. |
| 3 | Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. |
| 4 | Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. |
| 5 | Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. |
| 6 | Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; |
| 7 | Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda; |
| 8 | Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. |
| 9 | Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma? |
| 10 | Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? |
| 11 | Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. |
| 12 | Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. |