| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. |
| 2 | Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; |
| 3 | Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. |
| 4 | Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, |
| 5 | Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao. |
| 6 | Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. |
| 7 | Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; |
| 8 | Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko. |