| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo. |
| 2 | Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy, |
| 3 | Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. |
| 4 | Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. |
| 5 | Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? |
| 6 | Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony. |
| 7 | Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany. |
| 8 | Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy. |
| 9 | Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. |
| 10 | Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra. |