| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra; |
| 2 | Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. |
| 3 | Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao. |
| 4 | Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. |
| 5 | Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona. |
| 6 | Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra. |
| 7 | Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. |
| 8 | Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, |
| 9 | Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. |
| 10 | Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. |
| 11 | Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. |
| 12 | Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao. |
| 13 | Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, |
| 14 | Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. |
| 15 | Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. |
| 16 | Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko. |
| 17 | Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako. |
| 18 | Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo; |
| 19 | Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy. |
| 20 | Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko. |