| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano. |
| 2 | Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. |
| 3 | Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho. |
| 4 | Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. |
| 5 | Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. |
| 6 | Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô. |
| 7 | Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako. |
| 8 | Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho. |
| 9 | Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. |
| 10 | Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany. |
| 11 | Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho. |
| 12 | Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho. |
| 13 | Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao. |
| 14 | Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina. |
| 15 | Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana. |
| 16 | Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao. |
| 17 | Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao. |
| 18 | Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko. |
| 19 | Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra. |
| 20 | Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita. |
| 21 | Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. |
| 22 | Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy. |
| 23 | Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany. |
| 24 | Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao. |
| 25 | Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy. |
| 26 | Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy. |
| 27 | Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy. |
| 28 | Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina. |
| 29 | Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy. |
| 30 | Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana. |
| 31 | Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro. |
| 32 | Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra. |
| 33 | Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny. |
| 34 | Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. |
| 35 | Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony; |
| 36 | Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany. |