| 1 | Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo. |
| 2 | Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, |
| 3 | Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy. |
| 4 | Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny. |
| 5 | Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy. |
| 6 | Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba. |
| 7 | Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony. |
| 8 | Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy. |
| 9 | Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany. |
| 10 | Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny; |
| 11 | Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra? |
| 12 | Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena. |
| 13 | Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana. |
| 14 | Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina. |
| 15 | Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao. |
| 16 | Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany. |
| 17 | Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany. |
| 18 | Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy. |
| 19 | Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy! |
| 20 | Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao. |
| 21 | Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako, |
| 22 | Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho. |
| 23 | Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. |
| 24 | Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho. |
| 25 | Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. |
| 26 | Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. |
| 27 | Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. |
| 28 | Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. |