| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. |
| 2 | Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina. |
| 3 | Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. |
| 4 | Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka; |
| 5 | Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka. |
| 6 | Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana. |
| 7 | Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa. |
| 8 | Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany. |
| 9 | Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba. |
| 10 | Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra. |