| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy. |
| 2 | Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina. |
| 3 | Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. |
| 4 | Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny. |
| 5 | Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela. |
| 6 | Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe: |
| 7 | Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy? |
| 8 | Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny? |
| 9 | Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? |
| 10 | Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra. |
| 11 | Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; |
| 12 | Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao. |
| 13 | Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? |
| 14 | Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao. |
| 15 | Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa. |
| 16 | Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. |
| 17 | Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. |
| 18 | Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany. |
| 19 | Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. |
| 20 | Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry. |