| 1 | Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany. |
| 2 | Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? |
| 3 | Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; |
| 4 | Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy. |
| 5 | Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra. |
| 6 | Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra; |
| 7 | Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe. |
| 8 | Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra. |